4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ny avo - Takodah & Ngah B

[Takodah] Isaorako ny any ambony fa nafoiny ho an’ny Gasy Madagasikara

’reo Tanindrazana aman’hektara hamelona

Voaozona hanatsara ny tany ny velona miasa fatratra

’reo mavesatr’entana hioty ny vôniny

rehefa nasalebolebon’ny fiainana babylôna

noketohan’ny tota ny voalavo isaorana ny avo nanome fitaovana

Antananarivoko mbola azoko hilalaovana.

[Ngah-B] Rah atao ny fampitah mbola hafa Dago ralah

Mbola azo lazaina f’homan-kanina raha mihoatra amin’ny Ethiopianina Somaliana

Zay le isaorako an’le Nahary tsy ankijanona

Madagasikarakô milamina tsisy gidragidra

Isaoranay anie le Avo Indrindra

Fa mbola namindra fo mbola namafy soa

Ho an’le tany Gasy ho an’reto vaôka miafy.



Fiv:

Isaorako ny ao ambony tsy vidiana ny tora-pasika

Isaorako ny ao ambony nanome tany midadasika

Isaorako ny ao ambony tsy vidiana ny masoandro X2

Isaorako ny ao ambony nanome hanina isan’andro

(Misaotra Mankasitraka Mankatelina ny velona) X4



[Takodah]An’Kaisara ny an’Kaisara an’Andriamanitra ny an’Andriamanitra

Isaorana ny lanitra nitsabo

Tsisy mangidy tsy misy aferotany tsy misy vahona

Nandrarak’orana fotsiny ny rahona

Mbola betsaka kanefa ny mbola tsy misotro rano

Mifaly ialah raha mbola afaka matory ambany tafo trano

Fianakam’s ivelarana firy isan-jaton’ny Gasy no te handia fianarana

Isaorana ny Tompon’ny aina Isaorana ny Tompon’ny andro

Misosa ny andro kanefa efa kobo tsara hoe an-kaiza

Hatr’aiza hatr’aiza tsisy tongatonga fahatany

Jorery kely dimy mitomany ny vitsika rehetra miasa

Ny lasa aoka omban’ny lasa saingy Gadran-kanto

Misy dikany matoa Ngah-b sy Takodah voantso

Isaorana ny Avo indrindra



Fiv:



Isaorako ny ao ambony tsy vidiana ny tora-pasika

Isaorako ny ao ambony nanome tany midadasika

Isaorako ny ao ambony tsy vidiana ny masoandro X2

Isaorako ny ao ambony nanome hanina isan’andro

(Misaotra Mankasitraka Mankatelina ny velona) X4



[Ngah-B]Misaora ny Avo Indrindra fa nomeny tongotra mamindra

Misaora ny Avo Indrindra fa nomeny tanana kinga

Misaora ny Avo Indrindra fa nomeny vatana tomady

Misaora ny Avo Indrindra fa ny tany lavitry ny ady

Misaora ny Avo Indrindra fa nomeny filaminana

Misaora ny Avo Indrindra fa ny vava tsy tapaka mihinana

Misaora ny Avo Indrindra fa mbola mahita mangirana

Misaora ny Avo Indrindra fa manana asa ifikirana

Misaora ny Avo Indrindra manan-trano isitrihana

Misaora ny Avo Indrindra fa manan-damba isikinana

Misaora ny Avo Indrindra fa manam-bady iankinana

Isaorako ny Avo indrindra ’zay natoa izao ahy

Isaorako ny Avo indrindra nanome ny aingam-panah

Isaorako ny Avo indrindra mety ijoro ho mpiaro ahy

Amin’ny fakam-panah sy ’zay mety ahazo ahy

Misaotra Mankasitraka Mankatelina



Fiv:



Isaorako ny ao ambony tsy vidiana ny tora-pasika

Isaorako ny ao ambony nanome tany midadasika

Isaorako ny ao ambony tsy vidiana ny masoandro X2

Isaorako ny ao ambony nanome hanina isan’andro

(Misaotra Mankasitraka Mankatelina ny velona) X4

Partager ny avo

Commenter ny avo

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Takodah & Ngah B